Entrée | adala | ||||||
Partie du discours | adjectif | ||||||
Explications en malgache | enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala ¶ tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory ¶ tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka ¶ sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny ¶ matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo ¶ teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo [Rajemisa 1985] | ||||||
Explications en anglais | foolish [Richardson 1885, Hallanger 1973] | ||||||
unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason. [Richardson 1885] | |||||||
crazy [Hallanger 1973] | |||||||
Explications en français | fou, sot [Abinal 1888, Hallanger 1974] | ||||||
aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents) ¶ insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples) ¶ Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer) ¶ Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu) [Abinal 1888] | |||||||
Dérivations |
| ||||||
Mots composés, titres, noms |
| ||||||
Exemples |
| ||||||
Citations | Proverbes contenant le mot adala | ||||||
Articles | Randzavola: adala ao amin' ny Baiboly | ||||||
Entrée | adalà | ||||||
Partie du discours | impératif de l'adjectif adala | ||||||
Explications en français | Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise) [Abinal 1888] | ||||||
Mis à jour le 2020/07/31 |
![]() |