Entrée 1/4 antso
Partie du discours nom
Explications en malgache Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy [1.1]
Explications en anglais A call, a summons [1.2, 1.7]
 An invocation [1.2]
Explications en français Appel, convocation [1.3, 1.8]
 Publication, proclamation, invocation [1.3]
Exemples 
1hoy ny antso avo afitsony. [2.503]
2Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [2.472]
3Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [1.38]
Dérivés 
 
Mots composés 
Phytonymes 
Titres Antso
Antson' ny Razana

Entrée 2/4 antso
Mots élémentaires antso
Partie du discours nom
Explications en français  [Sakalava] (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique. [1.196]
Nom scientifique Euphorbia antso
Vocabulaire 

Entrée 3/4 Antso
Mots élémentaires antso
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Dox
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres
Texte Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy

Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Entrée 4/4 Antso
Mots élémentaires antso
Partie du discours nom propre (titre de livre)
Auteur Andriamalala Emilson Daniel
Editions 1961. Pages: 53.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/07/19