Entrée | hoza > hozatra | ||||||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||||||
Explications en malgache | (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra ( holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra ( helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... [1.10] | ||||||||||||
Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby: ¶ 1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela ¶ 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho) ¶ 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. ¶ 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [1.1] | |||||||||||||
Explications en français | comme ozatra [1.3] | ||||||||||||
Vocabulaire | Biologie | ||||||||||||
Dérivés |
| ||||||||||||
Autres orthographes | ozatra | ||||||||||||
Proverbes | Proverbes contenant le mot hozatra | ||||||||||||
Entrée | hoza > ozana (oza) | ||||||||||||||||
Partie du discours | verbe passif | ||||||||||||||||
Explications en malgache | Sasana [1.1] | ||||||||||||||||
Explications en anglais | to be washed, to be cleaned [1.2] | ||||||||||||||||
Explications en français | qu'on lave [1.3] | ||||||||||||||||
Morphologie |
| ||||||||||||||||
Entrée | hoza > ozana | ||||||||||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||||||||||
Explications en malgache | mitovy amin' ny hozana [1.1] | ||||||||||||||||
Explications en français | comme hozana [1.3] | ||||||||||||||||
![]() |