Entrée | lovana (lova) | ||||||||
Partie du discours | verbe passif | ||||||||
Explications en malgache | Azo na raisina avy amin' ny ray aman-dreny: Vola kely fa tany betsaka kosa no nolovany tamin' ny ray aman-dreniny / Aretina nolovany tamin' ny reniny io [1.1] | ||||||||
Explications en anglais | to be inherited [1.7] | ||||||||
Explications en français | qu'on hérite; dont on hérite [1.8] | ||||||||
Morphologie |
| ||||||||
Entrée | lovana | ||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||
Explications en malgache | Ireo hazo roa eo andany sy ankilan' ny vavahadim-bohitr' omby izay noloahana mifanandrify mba hidiran' ny tsivalany rehefa hidiana ny vala. (Ny olona antitra efa konka izay tsy afa-mitraka intsony rehefa mipetraka ka manjary avo noho ny lohany ny lohaliny roa dia natao hoe "midi-dovana" satria noharina amin' ny lovana ny lohaliny roa amin' izay) [1.1] | ||||||||
Anagrammes |
Mis à jour le 2023/01/20 |
![]() |