Entrée | Rakotonaivo François | |
Partie du discours | nom propre (anthroponyme) | |
Explications en malgache | Rakotonaivo François (1924-) ¶ Teraka tany Betatao (Anjojorobe) tamin' ny 10 oktobra 1924. Nianatra tao amin' ny Petit Séminaire-Ambohipo, Kolejy Masina Misely-Amparibe, ary Lycée Galliéni izy. Nampianatra nandritra ny 14 taona. Nanomboka nanoratra tao amin' ny gazety " Anivon' ny Riaka - L' Ile Australe" niandraikitran' Andriamatoa Régis Rajemisa-Raolison. Talen' ny gazety Sori-Dalana (1957-1958). Tonian' ny Filazam-baovao tao amin' ny Radio-Madagasikara teto Antananarivo, tany Antsiranana sy tany Fianarantsoa. Talen' ny Radio-Madagasikara (1976-1978). Mari-boninahitra: Chevalier de l'Ordre national Malagasy. [Rakotonaivo: Hainteny 1] | |
Vocabulaire | Littérature: auteurs | |
Ouvrages littéraires | Fianarana jeografia Hainteny ankehitriny Le laïcat et la pastorale de la justice et la charité Ny diam-penin' ny Avana Ramanantoanina Ny Haintenin'ny Ntaolo Ny riba malagasy eran' ny nosy Rakibolana frantsay - malagasy | |
Mis à jour le 2021/11/28 |
![]() |