Entrée velona
Partie du discours adjectif
Explications en malgache  [Rajemisa 1985] Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e!
¶ Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao?
¶ Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy
¶ Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany
¶ Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana"
¶ Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka
¶ Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany
Explications en anglais  [Hallanger 1973] living, alive
Explications en français  [Hallanger 1974] vivant
  [Boiteau 1997] tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains
Dérivations 
Morphologie 
velona
velon'
velon-
velom-
velo-
-belona
-belon'
-belon-
-belom-
-belo-
veloma
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1 [Fox: Hainteny, numéro 343] fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona
2 [Rajohanesa: Kintana] -- Mbola velona ihany hianao Razay!
3 [Cohen-Bessy: Rakotovao, page 77] Filazana toetr'olom-belona hiany izany.
4 [Andriamalala: Ranomasina, page 19] Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko?
5 [Andraina: Mitaraina, page 252] tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko.
Citations 
Toponymie Noms des lieux comprenant le mot velona (6)
Ambalavelona
  Ambohibeloma
  Andranovelona
  Mahavelona
  Sakoambelona
  Vatovelona
 

Entrée velona
Partie du discours interjection [liste complète]
Explications en malgache  [Rajemisa 1985] Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e!

Entrée velona
Partie du discours adjectif
Explications en malgache  [Rakotosaona 1975] [Bezanozano] be voninahitra

Mis à jour le 2022/05/31